Exodus 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Makà molaly avy amin’ny lafaoro lehibe, eran’ny tananao roa, ary aoka hafafin’i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason’i Farao izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Mandraofa ianareo lavenona eran’ny tananareo, eo amin’ny lafaoro lehibe, dia hataon’i Môizy savoan-danitra eo imason’i Faraôna izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Makà molaly eran’ny tanan-droanareo avy ao an-dafaoro, dia aoka hatsipin’i Mosesy savoan-danitra eo anatrehan’ny Farao izany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tananao ao amin'ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason'i Farao izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Makà molaly avy amin’ny lafaoro lehibe, eran’ny tananao roa, ary aoka hafafin’i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason’i Farao izany.
malagasy
[Fahenina: ny vay] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tananao ao amin'ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason'i Farao izany.