Ezekiel 1:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’olona; tamin’ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ny liona izy efatra, ary tamin’ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’ny omby, ary samy nanana ny tarehin’ny voromahery koa izy efatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao avy no notahafin’ny tarehiny: ny anoloana tarehin’olombelona, ny ankavanana tarehin-diona, azy efatra; ny ankavia tarehin’ombalahy, azy efatra, ary tarehim-boromahery azy efatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy nanana ireto tarehy ireto avy izy: tarehin’olona no teo anoloana, tarehina liona no teo ankavanana, tarehin’ombilahy no teo ankavia ary tarehina voromahery no teo ivoho.
Malagasy Bible 1865
Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’olona; tamin’ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ny liona izy efatra, ary tamin’ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’ny omby, ary samy nanana ny tarehin’ny voromahery koa izy efatra.
malagasy