Ezekiel 1:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zavamananaina, tahaka ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ny zavamananaina ny afo; namirapiratra ny afo sady nisy tselatra nivoaka avy tao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fijery an’ireo zava-manana aina ireo, dia tahaka ny vainafo mivaivay; hoatra ny fanilo no fijery azy; mifanaretsaka eny anelanelany eny ny afo, mampanjambena; sady misy tselatra mivoaka avy ao amin’ny afo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo anelanelan’ireo zava-miaina dia tazana ho nisy toy ny vainafo; ary nihetsiketsika toy ny fanilo no fijery azy. Namirapiratra ny afo, ary nisy tselatra nivoaka avy tao aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zavamananaina, tahaka ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ny zavamananaina ny afo; namirapiratra ny afo sady nisy tselatra nivoaka avy tao aminy.
malagasy