Ezekiel 1:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fijery ireo kodiarana sy ny fombafombany dia tahaka ny volon’ny krizolita; nitovy endrika izy efatra, ary ny fijery azy sy ny fombafombany dia toy ny kodiarana anatin’ny kodiarana hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ny fijery an’ireo kodiarana ireo, sy ny tarehiny, dia tahaka ny an’ny vaton’i Tarsisa, ary sahala daholo izy efatra; ny fijery azy aman-tarehiny dia hoatra ny kodiarana itsofohan-kodiarana hafa ao afovoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanana endrika manjelanjelatra toy ny vatosoa ireo kodiarana. Nitovy bika izy efatra ary toa samy voarafitra ho kodiarana mifampidipiditra.
Malagasy Bible 1865
Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fijery ireo kodiarana sy ny fombafombany dia tahaka ny volon’ny krizolita; nitovy endrika izy efatra, ary ny fijery azy sy ny fombafombany dia toy ny kodiarana anatin’ny kodiarana hafa.
malagasy
Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.