Ezekiel 1:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na taiza na taiza no tian’ny fanahy ho naleha dia nalehan’ireo koa, fa any no tian’ny fanahy haleha, ary ny kodiarana dia niainga teo anilany; fa tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zavamananaina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay nasain’ny fanahy alehany, no nalehan’izy ireo; fa naingain’ny fanahy izy; ary niara-niainga taminy koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandeha tamin’izay nitondran’ny Fanahy azy izy ka nandroso niaraka taminy koa ireto kodiarana, satria ny fanoitran’ny zava-miaina no nanetsika ireo kodiarana ireo.
Malagasy Bible 1865
Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na taiza na taiza no tian’ny fanahy ho naleha dia nalehan’ireo koa, fa any no tian’ny fanahy haleha, ary ny kodiarana dia niainga teo anilany; fa tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zavamananaina.
malagasy
Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.