Ezekiel 1:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandeha ireo dia mba nandeha koa ireto; ary rehefa nijanona ireny dia mba nijanona koa ireto; ary rehefa niainga tsy nipaka tamin’ny tany ireny dia mba niainga teo anilany koa ny kodiarana; fa ny fanahin’ny zavamananaina dia tao amin’ny kodiarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka raha mandeha ireo, mandeha ireto; raha mijanona ireo, mijanona ireto; ary raha misondrotra avy amin’ny tany ireo, misondrotra koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa isaky ny nandroso izy na nijanona na niakatra niala tamin’ny tany, dia niara-nanao fihetsika toy izany koa ireto kodiarana satria ny fanoitran’ireo zava-miaina no nanetsika azy.
Malagasy Bible 1865
Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nandeha ireo dia mba nandeha koa ireto; ary rehefa nijanona ireny dia mba nijanona koa ireto; ary rehefa niainga tsy nipaka tamin’ny tany ireny dia mba niainga teo anilany koa ny kodiarana; fa ny fanahin’ny zavamananaina dia tao amin’ny kodiarana.
malagasy