Ezekiel 1:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandeha izy dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ny ranobe, dia tahaka ny feon’ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ny miaramila mitoby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikopakopaky ny elany, ka toy ny firohondrohon’ny rano be, tahaka ny feon’ny Tsitoha, fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin’ny toby; nony nijanona izy, dia avelany milefitra ny elany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandre ny fikopakopaky ny elany aho rehefa nanidina ireto zava-miaina, fa toy ny firohondrohon’ny ranomasina izany, sy tahaka ny feon’Andriamanitra Tsitoha na ny fireondreonan’ny tafika marobe. Rehefa nijanona kosa izy, dia nafihiny ny elany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nandeha izy dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ny ranobe, dia tahaka ny feon’ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ny miaramila mitoby.
malagasy
Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;