Ezekiel 1:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohany dia nisy toy ny sezafiandrianana mitovy volo amin’ny vato safira; ary teo ambonin’izany toy ny sezafiandrianana izany dia nisy ohatra ny endrika olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tazako tao fa nisy toa sezafiandrianana miendrika vato safira; ary teo ambonin’izany toa sezafiandrianana izany, terỳ an-tampon’ny andohalambo dia nisy hoatra endrik’olombelona.
Malagasy Bible 1865
Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohany dia nisy toy ny sezafiandrianana mitovy volo amin’ny vato safira; ary teo ambonin’izany toy ny sezafiandrianana izany dia nisy ohatra ny endrika olona.
malagasy