Ezekiel 1:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahita toy ny volon’ny metaly mamirapiratra aho, ohatra ny afo manodidina azy; hatramin’ny andilany no ho miakatra ka hatramin’ny andilany no ho midina dia hitako tahaka ny afo ka nisy namirapiratra manodidina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin’izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin’izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitako fa namirapiratra tahaka ny vy mangirana izany endrika izany, sady toa voahodidina afo. Ary teo ambony sy teo ambanin’izay hoatra ny tehezany, dia tazako nisy toy ny afo nandrakotra hazavana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahita toy ny volon’ny metaly mamirapiratra aho, ohatra ny afo manodidina azy; hatramin’ny andilany no ho miakatra ka hatramin’ny andilany no ho midina dia hitako tahaka ny afo ka nisy namirapiratra manodidina azy.
malagasy
Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.