Ezekiel 1:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny fijery ny avana amin’ny rahona amin’ny andro nisy ranonorana no fijery ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny voninahitry NY TOMPO. Nony nahita izany aho dia niankarapoka tamin’ny tany ka nandre ny feon’ny iray niteny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fahazavana manodidina azy dia tahaka ny an’ny avana izay mamirapiratra amin’ny andro manerika. Taratry ny voninahitry ny TOMPO izany. Nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka hatreo amin’ny tany, ary nandre feo niteny tamiko.
Malagasy Bible 1865
Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy ny fijery ny avana amin’ny rahona amin’ny andro nisy ranonorana no fijery ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny voninahitry NY TOMPO. Nony nahita izany aho dia niankarapoka tamin’ny tany ka nandre ny feon’ny iray niteny.
malagasy