Ezekiel 1:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona sady nisy namirapiratra manodidina azy. Avy teo amin’ny afo dia nisy toy ny volon’ny metaly mamirapiratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe, aman’afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no hitako: tafio-drivotra tonga avy any avaratra, nitondra rahona matevina sady namoaka tselatra. Voahodidina hazavana ilay rahona, ary ny afovoany izay mivaivay dia nanjelanjelatra toy ny vy mangirana.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona sady nisy namirapiratra manodidina azy. Avy teo amin’ny afo dia nisy toy ny volon’ny metaly mamirapiratra.
malagasy