Ezekiel 10:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohan’ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; ary nisy zavatra tahaka ny endriky ny sezafiandrianana niseho teo amboniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nahita aho, ka indro teo ambonin’ny andohalambo, tambonin’ireo lohan’ny Kerobima, dia nisy hoatra ny vato safira; nisy zavatra mitarehin-tseza fiandrianana no fijery azy, teo ambonin’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nijery aho ka indro teo amin’ny habakabaka izay tambonin’ny lohan’ny kerobima fa nisy tahaka ny vato safira, ka mitovitovy amin’ny sezafiandrianana ny endriny; ary niseho teo ambonin’ireo kerobima ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohan’ny kerobima* dia nisy tahaka ny vato safira; ary nisy zavatra tahaka ny endriky ny sezafiandrianana niseho teo amboniny.
malagasy
[Fahitana ny amin'ny handoroana an'i Jerosalema, sy ny hialan'ny voninahitr'i Jehovah aminy] Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny. [Heb. Izy]