Ezekiel 10:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Samy nanana tarehy efatra avy izy: Ny tarehin’ny voalohany dia nitarehin’ny kerobima, ary ny tarehin’ny faharoa dia nitarehin’olona, ny fahatelo dia nitarehin’ny liona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Isan-Kerobima samy nanan-tarehy efatra avy: ny tarehin’ny voalohany, tarehin-Kerobima, ny tarehin’ny faharoa, tarehin’olona; ny an’ny fahatelo, tarehin’ombalahy; ary ny an’ny fahefatra, tarehim-boromahery.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy nanana endrika efatra ny kerobima tsirairay: ny voalohany dia endrika kerobima, ny faharoa dia endrika olona, ny fahatelo dia endrika liona, ary ny fahefatra dia endrika voromahery.
Malagasy Bible 1865
Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Samy nanana tarehy efatra avy izy: Ny tarehin’ny voalohany dia nitarehin’ny kerobima, ary ny tarehin’ny faharoa dia nitarehin’olona, ny fahatelo dia nitarehin’ny liona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
malagasy