Ezekiel 10:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandeha ny kerobima dia mba nandeha teo anilany koa ny kodiarana; ary rehefa nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin’ny tany dia tsy nisaraka taminy ny kodiarana fa teo akaikiny koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nandeha ny Kerobima, nandeha teo anilany koa ny kodiarana, ary raha nanainga elatra hisondrotra avy amin’ny tany ny Kerobima dia tsy nivily koa ireo kodiarana; tsy niala teo anilan’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa mandroso izy, dia mandroso miaraka aminy koa ireo kodiarana; rehefa mikopaka elatra hiakatra hiala amin’ny tany izy, dia tsy misaraka aminy koa ireo kodiarana.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.