Ezekiel 10:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nasandratry ny kerobima ny elany ka niainga tsy nipaka tamin’ny tany teo imasoko izy rehefa nivoaka, ary teo anilany ny kodiarana ary samy nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely no teo amboniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanainga elatra ny Kerobima sy nisondrotra avy amin’ny tany teo imasoko, ary nony niainga izy, niaraka taminy ny kodiarana. Nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’i Iaveh izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo aminy, teo amboniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nikopaka elatra handeha ireo kerobima ka tsinjoko niakatra niala avy amin’ny tany, ary niara-niainga taminy koa ireo kodiarana. Nijanona teo anilan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny TOMPO izy ka namirapiratra teo amboniny ny voninahitr’Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nasandratry ny kerobima ny elany ka niainga tsy nipaka tamin’ny tany teo imasoko izy rehefa nivoaka, ary teo anilany ny kodiarana ary samy nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely no teo amboniny.
malagasy