Ezekiel 10:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niteny tamin-dRalehilahy nitafy lamba rongony fotsy Izy hoe: Midira eo anelanelan’ny kodiarana, dia eo ambanin’ny kerobima, ary fenoy vainafo avy eo anelanelan’ny kerobima ny tananao roa ka afafazo amin’ny tanàna izany! Dia niditra teo imasoko izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika: «Mandehana ho ao anelanelan’ny kodiarana, ambanin’ny Kerobima; fenoy vain’afo avy eo anelanelan’ny Kerobima ny tanan-droanao, ka afafazo amin’ny tanàna izany.» Dia nankao izy teo imasoko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny Tompo tamin’ilay lehilahy miakanjo rongony: «Midira ao anatin’ny tadio anelanelan’ny kodiarana eo ambany kerobima. Fenoy vainafo avy eo anelanelan’ny kerobima ny tananao, ka afafazo amin’ny tanàna izany.» Dia hitako nandeha naka ny vainafo ralehilahy.
Malagasy Bible 1865
Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niteny tamin-dRalehilahy nitafy lamba rongony fotsy Izy hoe: Midira eo anelanelan’ny kodiarana, dia eo ambanin’ny kerobima, ary fenoy vainafo avy eo anelanelan’ny kerobima ny tananao roa ka afafazo amin’ny tanàna izany! Dia niditra teo imasoko izy.
malagasy