Ezekiel 10:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny kerobima iray dia nanatsotra ny tanany avy teo anelanelan’ny kerobima ho eo amin’ny afo izay teo anelanelan’ny kerobima, dia nakany ka nofenoiny ny tanan-droan’ilay nitafy lamba rongony fotsy. Ary rehefa nandray izany Ralehilahy dia lasa nandeha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny Kerobima naninjitra ny tanany eo anelanelan’ny Kerobima ho ao amin’ny afo izay eo anelanelan’ny Kerobima, dia nalainy ka nataony teo an-tanan-dralehilahy mitafy rongony fotsy madinika, izay nandray izany, dia nivoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanatsotra ny tanany ho eo amin’ny afo izay teo anilany ny kerobima iray ka naka vainafo tao ary namenoany ny tanan-droan’ilay lehilahy. Noraisin-dralehilahy kosa izany, dia nivoaka ny tempoly izy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny tànan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny kerobima iray dia nanatsotra ny tanany avy teo anelanelan’ny kerobima ho eo amin’ny afo izay teo anelanelan’ny kerobima, dia nakany ka nofenoiny ny tanan-droan’ilay nitafy lamba rongony fotsy. Ary rehefa nandray izany Ralehilahy dia lasa nandeha.
malagasy