Ezekiel 10:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indreo, nisy kodiarana efatra teo anilan’ny kerobima, dia kodiarana iray avy teo anilan’ny kerobima tsirairay; ny fijery ny kodiarana dia toy ny volon’ny vato krizolita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nahita aho, ka indreo, nisy kodiarana efatra, teo anilan’ireo Kerobima, kodiarana iray avy no teo anilan’ny isan-Kerobima; ary ny endriky ny kodiarana dia toy ny an’ny vaton’i Tarsisa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitako koa fa nisy kodiarana efatra, ka kodiarana iray avy no teo anilan’ny kerobima. Ireo kodiarana ireo dia nanjelanjelatra tahaka ny vatosoa krizôlita.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indreo, nisy kodiarana efatra teo anilan’ny kerobima, dia kodiarana iray avy teo anilan’ny kerobima tsirairay; ny fijery ny kodiarana dia toy ny volon’ny vato krizolita.
malagasy
Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.