Ezekiel 11:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary indreo, nisy olona dimy amby roapolo lahy teo anoloan’ny vavahady; dia hitako teo amin’ireo i Jazania zanak’i Azora sy i Pelatia zanak’i Benaia, lehiben’ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naingain’ny fanahy aho dia nentiny nankeo am-bavahady atsinanana, ilay mitodika miantsinanana amin’ny tranon’i Iaveh; ka indro, teo anoloan’ny vavahady nisy olona 25 lahy; ary hitako teo amin’izy ireo, i Jezoniasa zanak’i Azora sy i Feltiasa zanak’i Banaiasa. lehiben’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ningain’ny Fanahin’ny Tompo aho ka nentiny hankeo amin’ilay vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny TOMPO. Tazako teo anilan’ny fidirana ny lehilahy 25 ka anisan’ireny ireo roalahy lehiben’ny vahoaka, dia i Jazanià zanakalahin’i Hazora, sy i Pelatià zanakalahin’i Benaià.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary indreo, nisy olona dimy amby roapolo lahy teo anoloan’ny vavahady; dia hitako teo amin’ireo i Jazania zanak’i Azora sy i Pelatia zanak’i Benaia, lehiben’ny vahoaka.
malagasy
[Filazana ny amin'ny loza hanjo, sy fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na: rivotra]