Ezekiel 11:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao iray firazanana aminao, dia ny taranak’Israely rehetra, no nitenenan’ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira NY TOMPO; izahay no nomena ity tany ity ho lova.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ry zanak’olona, ireo rahalahinao, olona anisan’ny fianakavianao, sy ny taranak’i Israely rehetra, dia izy rehetra no ilazan’ny mponina ao Jerosalema hoe: ‹Mijanòna any lavitra an’i Iaveh ianareo; fa izahay no nomena ity tany ity ho fananana.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, ny mpiray firenena aminao, ireo havanao israelita rehetra atỳ, dia ilazan’ny mponina eto Jerosalema izao torohevitra izao: ‹Mijanòna lavitry ny TOMPO any ianareo, satria izahay no nomeny ity tany ity ho fanananay›. »
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao iray firazanana aminao, dia ny taranak’Israely rehetra, no nitenenan’ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira NY TOMPO; izahay no nomena ity tany ity ho lova.
malagasy
Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.[Na: iray firazanana aminao]