Ezekiel 11:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ny Jentilisa aza izy ka naeliko tany amin’ny tany maro dia ho fitoerana masina ho azy vetivety ho azy Aho any amin’ny tany izay alehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa lazao amin’ireto hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin’ny firenena ireny, naeliko any amin’ny tany hafa izy; nefa Izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin’ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, ambarao amin’ireo namanao babo fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Na dia nalefako any an-tany lavitra sy naeliko any anivon’ny firenen-kafa aza ianareo, dia manatrika anareo Aho tahaka ny ao amin’ny Toeramasina ihany.»
Malagasy Bible 1865
Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin'ny tany izay alehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ny Jentilisa* aza izy ka naeliko tany amin’ny tany maro dia ho fitoerana masina ho azy vetivety ho azy Aho any amin’ny tany izay alehany.
malagasy
Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin'ny tany izay alehany.[Na: kely ho azy]