Ezekiel 11:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hovoriko avy any amin’ny firenena ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo ka homeko ny tanin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Hangoniko avy any amin’ny firenena ianao; hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo ianareo; ary homeko anareo ny tanin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarao aminy koa fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hangoniko avy any amin’ny firenena sy ny tany izay nanelezako anareo ianareo, ka homeko ny tanin’i Israely indray.
Malagasy Bible 1865
Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hovoriko avy any amin’ny firenena ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo ka homeko ny tanin’ny Israely.
malagasy
Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo.