Ezekiel 11:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny amin’izay manana fo manina ny zava-maharikorikony sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ry zareo manana fo manaraka ny fon-tsampiny vetaveta kosa, dia hatsingeriko amin’ny lohany, izay nataony», - teny marin’i Iaveh Tompo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ho an’izay manana fo mirona amin’ny fanao mahatsiravina sy maharikoriko momba ny fanompoan-tsampy dia hataoko mivesatra ny vokatry ny fitondrantenany izy. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny amin’izay manana fo manina ny zava-maharikorikony sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.[Heb. manaraka ny fon'ny zava-dratsiny][Heb. lalana]