Ezekiel 11:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy ho any Kaldea, tamin’ny fahitana, ho any amin’ny babo, dia tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary naingain’ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin’ireo babo any Kaldea, tamin’ny fahitana, tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tsaroako ho ningain’ny Fanahin’Andriamanitra aho, ka naveriny ho eo anilan’ireo babo tany Babilôna. Tamin’izay dia nitsahatra ny fahitana azoko;
Malagasy Bible 1865
Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy ho any Kaldea, tamin’ny fahitana, ho any amin’ny babo, dia tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.
malagasy
Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.[Na: rivotra]Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy.