Ezekiel 11:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; fa ianareo kosa dia havoaka tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ireo maty natsingidinareo teto afovoan’ny tanàna no hena, ary ny tanàna no vilany; fa ianareo kosa havoaka hiala eto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: toy ny vilany ity tanàna ity, ary ny hena dia ireo efa novonoinareo ho faty teo anivony. Ianareo kosa anefa dia horoahiko tao.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; fa ianareo kosa dia havoaka tao.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.