Ezekiel 12:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra sady hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay rehetra manotrona azy, ny mpanampy azy, ny miaramilany rehetra, dia haeliko any amin’ny vazantany rehetra, sady henjehiko amin’ny sabatra voatsoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haeliko any amin’ny vazan-tany efatra ireo rehetra nanodidina izany andriamanjaka izany, dia ireo mpiambina azy sy ireo antokon-tafiny, ka any no hanenjehako azy amin’ny sabatro.
Malagasy Bible 1865
Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra sady hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy Aho.
malagasy
Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.