Ezekiel 12:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin’ny Jentilisa izay alehany. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hisy olona vitsivitsy amin’izy ireo anefa, havelako ho afaka amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, mba hitantara ny fahavetavetana nataony, any amin’ny firenena halehany any, dia ho fantany fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa hamelako olona vitsivitsy ihany izy, dia ny sisa tavela tsy ringan’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana: ireo no hitantara amin’ny firenen-kafa misy azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony, ka hoeken’ny firenen-kafa koa fa Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan'ny sabatra.sy ny mosary sy ny areti- mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin'ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin’ny Jentilisa izay alehany. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
malagasy