Ezekiel 12:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary lazao amin’ny vahoaka hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’ny mponina ao Jerosalema, ao amin’ny tanin’ny Israely: Amin’ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amin’ny fahaverezan-kevitra no hisotroany ny ranony satria ho foana tanteraka ny taniny ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny hetraketraka nataon’izay rehetra monina ao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hilaza amin’ny vahoakan’ny tany ianao hanao hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh ny amin’ny mponina ao Jerosalema, ny amin’ny tanin’i Israely: Amin’ahiahy no hihinanan’izy ireo ny haniny, ary amim-pahoriana no hisotroany ny ranony, fa hofoanana tsy hisy izay rehetra ao amin’ny tany, noho ny fampahoriana afitsoka izay rehetra monina eo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia ambarao amin’ny olon’ity tany ity fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ny mponin’i Jerosalema izay tafajanona eto amin’ny tanin’i Israely dia hihinana sy hisotro amin’ahiahy sy amin-tahotra; horavana sy hatao fongana manko ny taniny, noho ny herisetran’ny mponina rehetra ao aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary lazao amin'ny vahoaka hoe Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ao amin'ny tanin'ny Isiraely: Amin'ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan'izay rehetra monina ao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary lazao amin’ny vahoaka hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’ny mponina ao Jerosalema, ao amin’ny tanin’ny Israely: Amin’ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amin’ny fahaverezan-kevitra no hisotroany ny ranony satria ho foana tanteraka ny taniny ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny hetraketraka nataon’izay rehetra monina ao aminy.
malagasy