Ezekiel 12:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, ianao dia monina eto amin’ny taranaka maditra izay mana-maso hahitana nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana nefa tsy mandre, fa taranaka maditra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ry zanak’olona, ianao monina eto amin’ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, monina eo anivon’ny olona tena maditra ianao! Mana-maso hahitana izy fa tsy te hahita, manan-tsofina hihainoana fa tsy te hihaino, satria olona tena maditra.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, ianao monina eto amin'ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, ianao dia monina eto amin’ny taranaka maditra izay mana-maso hahitana nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana nefa tsy mandre, fa taranaka maditra izy.
malagasy
Ry zanak'olona, ianao monina eto amin'ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.