Ezekiel 12:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hatsahatro izany oha-teny izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ny Israely intsony. Fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ny fahitana rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hatsahatro izany fitenenana izany, ka tsy hotononina eo amin’i Israely intsony izany. Fa izao kosa no lazao amin’izy ireo: Antomotra ny fotoana; mbamin’ny fahatanterahan’ny tenin’ny fahitana rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hanafoana izany oha-pitenenana izany; tsy hotononina eto Israely intsony izany.› Ambarao aminy kosa fa akaiky ny fotoana izay hahatanterahan’ny fahitana rehetra.
Malagasy Bible 1865
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin'ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin'ny fahitana rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hatsahatro izany oha-teny izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ny Israely intsony. Fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ny fahitana rehetra.
malagasy