Ezekiel 12:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Izaho no TOMPO. Hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa; tsy hahemotra intsony izany fa ho amin’ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa Izaho Iaveh, hiteny, ary ny teny holazaiko, ho tanteraka; tsy hanaovana ampitso lava. Eny, amin’izao andronareo izao, ry taranaka miodina, no hilazako ny teny, sy hanatanterahako azy. - Teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho TOMPO no hiteny; ary ny teny izay lazaiko dia hihatra tsy an-kiandry intsony. Eny, amin’izao andronareo izao, ry Israelita maditra, no hanatanterahako izay zavatra lazaiko. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin'ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Izaho no TOMPO. Hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa; tsy hahemotra intsony izany fa ho amin’ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy