Ezekiel 12:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, indro, ny taranak’Israely dia miteny hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ny fotoana mbola lavitra no vinanìny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, indro ny taranak’i Israely manao hoe: Ny fahitana izay hitan’ilay io mbola ho amin’ny andro lavitra, ary ho amin’ny fotoana mbola ho ela no aminaniany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, lazain’ny Israelita fa ny fahitanao ankehitriny dia tsy ho tanteraka raha tsy afaka elabe, ary izay hafatra ampitainao dia momba ny vanim-potoana mbola lavitra.»
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona, indro, ny taranak’Israely dia miteny hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ny fotoana mbola lavitra no vinanìny.
malagasy
Ry zanak'olona, indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.