Ezekiel 12:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ianao, ry zanak’olona, mifeheza ny entan’ny babo ka miaingà amin’ny andro antoandro eo imasony! Ary mialà eo imasony eo amin’izay itoeranao ho any amin’ny toerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mifeheza entana ianao, ry zanak’olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason’izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin’izay itoeranao, ho any amin’ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin’izany, fa taranaka miodina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, fehezo ny entana izay ilain’ny babo anankiray ary omany antoandro eo imason’ny besinimaro ny fiainganao ho any am-pahababoana. Ialao ny toerana misy anao, ka mifindrà any an-toeran-kafa, ary eo imason’ny besinimaro no anaovy izany; angamba mba ho tsapany fa tena maditra izy.
Malagasy Bible 1865
Koa ianao, ry zanak'olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin'izay itoeranao ho any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ianao, ry zanak’olona, mifeheza ny entan’ny babo ka miaingà amin’ny andro antoandro eo imasony! Ary mialà eo imasony eo amin’izay itoeranao ho any amin’ny toerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
malagasy