Ezekiel 12:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan’ny babo; fa ny tenanao kosa dia hivoaka eo imasony amin’ny hariva, toy ny fivoakan’ny babo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avoahy antoandro eo imasony ny entanao, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony ianao, hoatra ny fiaingan’ny olona mifindra tany honenana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny antoandro sady eo imasony no hamoahanao ny entanao avy ao an-tranonao toy ny entan’ny babo anankiray; ary amin’ny hariva kosa ianao no hiainga tahaka ny olona hankany am-pahababoana.
Malagasy Bible 1865
Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin'ny fahababoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan’ny babo; fa ny tenanao kosa dia hivoaka eo imasony amin’ny hariva, toy ny fivoakan’ny babo.
malagasy