Ezekiel 12:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatanteraka izay nandidiana ahy aho ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy ny entan’ny babo. Nony hariva dia nogorobahiko tamin’ny tanako ny manda, koa nony efa maizina dia maizina ny andro dia nentiko nivoaka ny entana ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataoko izany, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin’ny tanako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rehefa ilay maizimaizina iny, dia nolanjaiko teo imason’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho, ka ny antoandro no namoahako avy ao an-tranoko ny entako toy ny entan’ny babo; ary ny hariva no nanagorobahako ny manda tamin’ny tanako. Ary nony efa maizimaizina ny andro, dia nentiko niainga ny entako ka teny an-tsoroko no nitondrako azy teo imason’ny besinimaro.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin'ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatanteraka izay nandidiana ahy aho ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy ny entan’ny babo. Nony hariva dia nogorobahiko tamin’ny tanako ny manda, koa nony efa maizina dia maizina ny andro dia nentiko nivoaka ny entana ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
malagasy