Ezekiel 13:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho ny nampiviliany ny oloko tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana! Kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary rehefa manao ampiantany ny oloko dia indreo, izy no mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izy ireo nandrebireby ny vahoakako, nanao hoe: «Fiadanana!» nefa tsy nisy fiadanana tsinona. Manao manda ny vahoakako, dia indreny izy mandalotra sokay an’izany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mamitaka ny vahoakako ny mpaminany amin’ny filazana fa fiadanana no manjaka nefa tsy misy fiadanana akory. Manangana rindrina ny vahoakako fa ireo kosa mandalotra azy amin’ny fotaka.
Malagasy Bible 1865
Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy madity,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho ny nampiviliany ny oloko tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana! Kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary rehefa manao ampiantany ny oloko dia indreo, izy no mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity.
malagasy
Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy madity,