Ezekiel 13:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa lazao amin’izay mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity fa hirodana izany! Hisy ranonorana mifafy. Eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy! Ary mifofofofoa ianareo, ry tafio-drivotra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia lazao amin’izay mandalotra sokay fa hirodana ny manda. Ho avy ny ora-mahery! Milatsaha, ry havandra vato! Mifofofofoa, ry tafio-drivotra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa lazao amin’ireo mpandalotra ireo hoe: ‹Hirodana ny rindrina! Fa ho avy ny ora-mikija, hiraraka ny havandra vaventy, ary hifofofofo ny rivo-mahery.
Malagasy Bible 1865
koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa lazao amin’izay mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity fa hirodana izany! Hisy ranonorana mifafy. Eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy! Ary mifofofofoa ianareo, ry tafio-drivotra!
malagasy
koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.