Ezekiel 13:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin’ny rihitra tsy madity ka ho fongotra hatramin’ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy ka haringana ao anatiny ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Harodako ny manda nolalorinareo sokay; hazerako amin’ny tany izy; ka hihanjahanja eo ny fanambaniny; hirodana izy, ary ianareo ho faty eo amin’ny antontany; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Horavako ny rindrina izay nolalorinareo fotaka ka hazerako amin’ny tany, dia hiseho mbamin’ny fototra. Hirodana izy ka ho tototra ao ambaniny ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin’ny rihitra tsy madity ka ho fongotra hatramin’ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy ka haringana ao anatiny ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
malagasy