Ezekiel 13:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho amin’ny foto-tanan’ny olona rehetra, ary manao voaly antonona ny loha samihafa rehetra mba hihazanareo ny ain’ny olona! Ny ain’ny oloko dia hazainareo, nefa ny ainareo kosa velominareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ireo vehivavy manjaitra ondana, ho an’ny famavanin-tanana rehetra; sy manao ondana ho an’ny loha samy hafa habe rehetra; mba hihaza fanahy amin’ny fandrika. Ny fanahin’ny oloko ve, hosamborinareo amin’ny fandrika, ary ny fanahinareo kosa ho velona!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hiharan-doza ianareo izay manjaitra fehitanana ho an’ny hato-tanana rehetra, ary manjaitra fehivozona ho an’ny olona isan-karazany mba hangejanareo ny ainy. Tianareo hogejaina ny ain’ny olona anisan’ny vahoakako mba hiarovana ny ainareo.
Malagasy Bible 1865
ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho amin’ny foto-tanan’ny olona rehetra, ary manao voaly antonona ny loha samihafa rehetra mba hihazanareo ny ain’ny olona! Ny ain’ny oloko dia hazainareo, nefa ny ainareo kosa velominareo!
malagasy
ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo![Na: tanako]