Ezekiel 13:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin’ny Israely izay maminany, koa lazao amin’izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, maminania mamely an’ireo mpaminanin’i Israely izay maminany; ka lazao amin’ireo izay maminany avy amin’ny safidim-pony ihany hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra ireo mihambo ho mpaminany eto Israely ka maminany araka ny nahim-pony. Asaovy mihaino ny teniko izy.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, maminania ny hamelezana ny mpaminanin’ny Israely izay maminany, koa lazao amin’izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo!
malagasy
Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.