Ezekiel 13:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hosimbako ny fonon-tanana nataonareo, izay entinareo hihaza ny ain’olona any toy ny fihaza voronkely. Eny, hotriariko hiala amin’ny sandrinareo izany ka halefako hanidina ny ain’ny olona izay nohazainareo toy ny fihaza voronkely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halàko ny ondanareo, izay nataonareo fandrika hihazàna fanahy, ka hataoko lasa manidina ireny; hotriariko ireo ondana ireo, hiala eo amin’ny sandrinareo, ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin’ny fandrika Aho, mba ho afa-manidina ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosimbako ny fehitanana izay angejanareo ny ain’ny hafa. Horovitiko ireny ka hoesoriko eny an-tanany, ary halefako malalaka ny aina izay nogejainareo.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hosimbako ny fonon-tanana nataonareo, izay entinareo hihaza ny ain’olona any toy ny fihaza voronkely. Eny, hotriariko hiala amin’ny sandrinareo izany ka halefako hanidina ny ain’ny olona izay nohazainareo toy ny fihaza voronkely.
malagasy