Ezekiel 13:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hotriariko koa ny voalinareo ka hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon’ny tananareo ho haza intsony izy; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hotriariko ny ondanareo; ary hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako; ka tsy ho haza eny an-tananareo intsony izy; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Horovitiko ny fehivozony, dia hoafahako amin’ny fahefànareo ny vahoakako ary tsy hogejainareo intsony; amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hotriariko koa ny voalinareo ka hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon’ny tananareo ho haza intsony izy; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
malagasy
Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.