Ezekiel 13:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria lainga no entinareo manaketraka ny fon’ny marina izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ny ratsy fanahy mba tsy hialany amin’ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ianareo mampahory ny fon’ny marina amin’ny lainga, nefa Izaho kosa tsy nampahory azy; sy noho ianareo nankahery ny ratsy fanahy, mba tsy hiverenany avy amin’ny lalan-dratsiny hahavelona azy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny lainganareo dia nahakivy ny olo-marina tsy tiako halahelo ary nampirisika ny olon-dratsy tsy hiala amin’ny toe-dratsiny mba hamelomana azy.
Malagasy Bible 1865
Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria lainga no entinareo manaketraka ny fon’ny marina izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ny ratsy fanahy mba tsy hialany amin’ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
malagasy
Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.