Ezekiel 13:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana tsy marina intsony ianareo, fa hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony ianareo, na hahazo hitsak’andro intsony; hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany dia tsy hisy intsony ny fahitanareo manodoka sy ny fanambarànareo mamitaka. Hoafahako amin’ny fahefànareo ny vahoakako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO›. »
Malagasy Bible 1865
dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana tsy marina intsony ianareo, fa hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
malagasy
dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.