Ezekiel 13:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ny teninareo dia anoano foana, ary ny fahitanareo dia lainga fotsiny dia indro, hamely anareo Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo milaza zava-poana, sady fahitana lainga, ny anareo, dia indro Aho ho tonga atỳ aminareo - Teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nilaza teny manodoka sy fahitana mamitaka ianareo, dia ho avy hamely anareo Aho. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.›
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ny teninareo dia anoano foana, ary ny fahitanareo dia lainga fotsiny dia indro, hamely anareo Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.