Ezekiel 13:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ny mpanolotsainan’ny oloko na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’Israely izy sady tsy hiditra ao amin’ny tanin’ny Israely; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tanako hamely an’ireo mpaminany mahazo fahitana tsy misy fotony, sy faminaniana lainga: tsy ho eo amin’ny mpanolo-tsaina ny vahoakako izy; na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’i Israely; ary tsy hiditra ao amin’ny tanin’i Israely; - dia ho fantatrareo fa Iaveh Tompo Aho, -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny heriko no hamely ny mpaminany izay milaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka. Tsy hanana anjara toerana ao amin’ny filankevitry ny vahoakako izy sady tsy ho voasoratra ao amin’ny lisitry ny vahoaka israelita ka tsy hiverina any amin’ny taniny. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ny mpanolotsainan’ny oloko na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’Israely izy sady tsy hiditra ao amin’ny tanin’ny Israely; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
malagasy