Ezekiel 14:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba tsy hialan’ny taranak’Israely Amiko intsony ary tsy handotoany ny tenany intsony amin’ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
- mba tsy hivilian’ny taranak’i Israely hanalavitra Ahy intsony, sy tsy handotoany tena amin’ny fahadiasoany rehetra. Amin’izay, izy ireo dia ho vahoakako, ary Izaho dia ho Andriamaniny, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay dia tsy hiala amiko intsony ny Israelita sady tsy handoto ny tenany amin’ny heloka rehetra fanaony intsony; dia ho vahoakako izy ary Izaho ho Andriamaniny. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
mba tsy hialan'ny taranak'Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin'ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba tsy hialan’ny taranak’Israely Amiko intsony ary tsy handotoany ny tenany intsony amin’ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
mba tsy hialan'ny taranak'Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin'ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah Tompo.