Ezekiel 14:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, raha misy tany manota Amiko ka manao izay mahadiso, ary atsotrako aminy ny tanako ka tapahiko ny mofo tohan’ainy sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, Raha misy firenena manota miodina amiko ka ahinjitro aminy ny tanako, dia tapahiko ny tehina mofo ho azy, sy alefako hamely azy ny mosary, dia haringako ny olona sy ny biby,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, raha ohatra manota amiko ireo mponin’ny tany anankiray ka mivadika amiko, dia hampihatra ny heriko hamely azy Aho. Hosimbako ny tahirin-kaniny ka handefasako mosary izy; sady haringako avokoa ny olona sy ny biby fiompy eo amin’ny taniny.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan'ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, raha misy tany manota Amiko ka manao izay mahadiso, ary atsotrako aminy ny tanako ka tapahiko ny mofo tohan’ainy sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
malagasy
Ry zanak'olona, raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan'ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,