Ezekiel 14:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy; ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary raha ao amin’izany tany izany izy telo lahy ireo, velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh, - tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy; ny tenan’izy ireo ihany no ho voavonjy, fa ny tany ho lao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia nonina tao aza ireo telo lahy voalaza teo, dia ny tenany ihany no ho sisa tavela. Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy ho afaka hamonjy na dia ny zanany lahy sy vavy aza ireo, ary ho lao kosa ny tany.
Malagasy Bible 1865
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy; ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.
malagasy
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.