Ezekiel 14:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka eo afovoan’io tany io koa izy telo lahy ireo; velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh; - dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo; ny tenany ihany no ho voavonjy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia nonina tao aza ireo telo lahy voalaza teo, dia ny tenany ihany no ho sisa tavela. Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy ho afaka hamonjy na dia ny zanany lahy sy vavy aza ireo.»
Malagasy Bible 1865
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
malagasy
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy.